Fanotaniana no hanombohantsika ity resaka FAMELAN-KELOKA ity :
Efa mba namela heloka ve ianao ?
Inona no karazam-pahotana tsy mety ho voavela aminao ?
Iza no olona tsy azonao havela heloka mihitsy?, ary inona no antony ?
Misy karazany roa ny famelan-keloka :
- Fangatahana famelan-keloka (Pardon demandé)
- Fanomezana famelan-keloka (Pardon donné)
Betsaka ny toe-javatra sy ny toetran' ny olona izay mety mampitondra fijaliana sy fahorian-tsaina amin'ny fiainana ka miteraka habibiana, tsy fahamarinana, famonoana ara-batana sy ara-tsaina.
Ny vokatr'izany dia mety ho : fahafatesana, ratran'ny vatana sy ny saina, fisarahana , fahanginana amin'ny fiainana, tsy fananam-bola , fahasimban'ny saina
Misy ny takaitra mipetraka ela ao an-tsaina ka miteraka ratra anaty ka manimba sy maha-voadona ny saina (fahatsapana fa voafitaka, voahosihosy, tsy misy vidiny , voahilikilika , nampiasaina , nolotoina)
Ny ady dia mety ho adin'ny mpivady na ny mpiraitampo na ny mpinamana na ny mpiara- miasa na ny mpiara-miangona na ny olona tsy fantatra koa….
Ny lolompo vokatry ny hatezerana tafahoatra, ny mangidy tsy laitra, ny vesatra ao an-tsaina,… . Ireo rehetra ireo no anisany miteraka ny faniriana hamalifaty.
Mijanona ela ao an-tsaina izany, ary mety maharitra aman-taonany raha toa ka tsy vonona ny hamela heloka sy hifamela heloka. Ny antony dia satria tsy manaiky ny zava-miseho ny saina .
Izany rehetra izany nefa dia mila fanasitranana, ary dia ny lalana tsara sy mety ahatongavana amin'izany dia ny fifamelana , na ny famelan-keloka.
Ny hoe famelan-keloka dia tsy midika hoe manadino ny lasa sy ny zava-nisy, na mamafa ao an-tsaina izay nampalahelo sy nanafitohana, ka hoe atao toy ny tsy nisy akory.
Tsy azo atao an-tery ny famelan-keloka fa kosa safidy sy faniriana ao am-pon'ny olona izay te hanao izany.
Mila fotoana sy fahavononana ary fieritreretana maharitra izany fa tsy azo atao maimaika na tsy vokatry ny fo.
Matoa mbola tsy vononna ny hamela heloka, dia satria mbola mavesatra loatra ao an-tsaina sy ao am-po ireo fahatsiarovana sy ireo antony maro, ary mbola misy ny fery anaty tsy sitrana.
Misy ny fifamelana atao ho an'olon-droa ary misy ny fifamelana atao amin'ny fianakaviana na olona maro.
Tsy vita ny fifampihavanana raha tsy misy ny fifamelana. Ilaina koa ny fifanatreha-maso sy ny fiaikain-keloka raha misy ny fangataham-pamelana.
*Raha mbola mitohy na miverimberina ny ady sy ny heloka dia sarotra ny fifamelana.
Raha mbola eo ny fiarovan-tena ho an'izay meloka dia mbola tsy vokatry ny fo ny fangataham-pamelana.
Ny famelan-keloka dia tsy miankina amin'ny toetra na fihetsik'izay nanao ratsy taminao fa safidin'izay olona te- hamela heloka.
Raha mbola ao an-tsaina koa ny hoe " valifaty ", dia tsy misy ny famelan-keloka.
FEHINY :
A) Ny famelan-keloka izany dia asa atao ao anaty, vokatry ny fo, tsy an-tery fa safidin'ny olona manao azy . Manampa-kevitra ny hiala amin'ny hatezerana sy ny valifaty ary ny lolompo.
Dingana lehibe izay ilaina asa maharitra atao ao an-tsaina, ary mila fotoana fieritreretana.
Firesahana anaty amin'ny tena ihany, ka manaiky fa ory sy mijaly ary voagejan'ny fahorian-tsaina
Mila fandraisana fanampaha-kevitra izany, fitokanana irery, fieritreretana lalina ao am-po.
Fandinihan-tena sy fametraham- panotaniana amin-tena ( inona ny lesona azoko tamin'izay fiainako izay ?, inona ny nahajamba ny masoko ?, inona no tokony hataoko tsy hiverenan'izay intsony ? )
Manaiky hoe " ampy izay fijaliana izay " ary handroso lalana vaovao indray.
- Ny vokatr'izay asa famelan-keloka natao izay dia fahafahana ao an-tsaina, fanombohana fiainana vaovao, fiadanana anaty, fifaliana .
Ireo olona rehetra izay afaka namela heloka dia nandroso fa tsy olon-dresy na kanosa, ary nilaza ny fasitranana anaty , ary toy ny afa-patorana sy manana herintsaina vaovao.
B) Ny tsy famelan-keloka dia manakana ny fiadanan-tsaina sy ny fahasambarana . Toy ny olona voagadra sy miaina ao anaty lavaka, tsy mahita masoandro ny fiainana , mifoha amin'alahelo, matory miaraka amin'ny tomany , tontolo andro toa voageja ary miverimberina tsy mety miala ao an-tsaina ireo zava-mahory sy ny fikasana hamaly faty satria tsy manaiky ny saina.
- Ireo dingana lehibe andalovana mba hahazoana mamela heloka :
1) Mandray fanapahan-kevitra ny tsy hijaly intsony, ary tsy hamaly faty izay nanao ratsy taminao.
-Misy ny maka elanelana amin'izay nampijaly sy nampahory azy.
-Ny mamela heloka dia tsy milaza fa ajanona ny fitoriana raha ilaina atao izany . Ilaina manao ny asany koa ny fitsarana fa mety hanampy izany. " On ne peut pardonner que ce que l'on peut punir " Simone Weil.
2) Manaiky fa nisy ny fijaliana vokatry ny fahadisoana sy ny heloka nianjady tamin'ny tena.
Ny lasa dia tsy mety ho fafana, ary tsy hadino ny heloka izay nianjady tamin'ny tena.
3) Avoaka ny hatezerana fa tsy kobonina ao anaty
Resahina amin'ny olona izay hatokisana ka afaka mihaino anao , na atao an-tsoratra mipetraka ho anao ihany.
" La haine est un sentiment très violent , que l'on ne peut pas faire disparaitre " Gabrielle Rubin.
Ny firesahana mivantana amin'izay tompo-keloka nefa dia mety ho sarotra.
4) Miala amin'ny fiheverana fa tompon'andraikitra tamin'ny ilay fahadisoana
( izay fahita matetika rehefa misy ny fanolanana ( viol, inceste) )
5) Manadihady ao an-tsaina ny antony nahatonga ilay olona hanao fahadisoana taminao.
Mametra-panontaniana amin-tena.
Mandray lesona amin'ny fiainana sy fepetra koa mba tsy hiverenan'ny lasa intsony.
6) Mila fotoana fieritreretana lalina sy maharitra.
Raha atao haingana loatra ny famelan-keloka dia tsy mampitony ny hatezerana; raha miandry ela loatra indray nefa dia manimba ny saina.
7)Mandray andraikitra an-tanana indray ny fiainana
Ny hahafantarana fa afaka namela heloka tokoa dia rehefa tsy ao intsony ny hatezerana sy ny lolompo ary ny valifaty tamin'izay olona nanao ratsy taminao .
Mahatsiaro sitrana , afa-patorana , misy fiadanan-tsaina indray izany.
Tsy zava-mora ho antsika olombelona ny mamela heloka. Izany no angatahantsika ny fanampian'Andriamanitra, mba hanomezany antsika herin-tsaina sy fo hamela heloka. " Mba sitrano ny hatezerako sy alaheloko Jesosy ô ! ka mba ampio aho hamela ny helok'i … "
- Ny famelan-keloka ara- pivavahana
Raha ny ao anaty Baiboly dia tantara maro no voalaza ao anaty baiboly manambara ny famelankeloka.
Ny teny hoe mamela heloka dia midika koa hoe: mamafa heloka, manadio, mandevona ny fahadisoana, tsy mitahiry fahadisoana, fanampahan-kevitra tsy hitana am-po ny ratsy nataon'olona taminao, toy ny ateraka indray.
Ny famelan-keloka araka ny Soratra Masina dia porofom-pitiavana, famindrampo ary fanomezam-pahasoavana.
-Toko sy andininy maro koa no hita manambara izany famelan-keloka izany:
" Celui qui couvre une faute cherche l'amour " Proverbe 17: 9
= Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka "
" Pardonne-nous nos offenses, comme nous aussi nous pardonnons à ceux qui nous ont offensés ". Matthieu 6:12
= Ary mamelà ny helokay , tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
" Si donc tu présentes ton offrande à l'autel, et que là tu te souviennes que ton frère a quelques chose contre toi, laisse là ton offrande devant l'autel, et va d'abord te réconcilier avec ton frère; puis, viens présenter ton offrande ". Matthieu 5 : 23-24
=Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
Isika olombelona dia mangatam-pamelana amin'Andriamanitra. Mila famelan-keloka avy amin'Andriamanitra avokoa isika satria samy efa nanota daholo ka mila fibebahana.
" Que le méchant abandonne sa voie, Et l'homme d'iniquité ses pensées, Qu'il retourne à l'Eternel , qui aura pitié de lui, A notre Dieu, qui ne se lasse pas de pardonner " . Esaïe 55 :7
=Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy , Eny, ho amin'Andriamanintsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy ".
Misy dingana koa atao amin'izany dia ny fialana amin'ny lalana ratsy sy ny hevitra adala , ary miverina amin'Andriamanitra.
" …Heureux celui à qui la transgression est remise, A qui le péché est pardonné! Heureux l'homme à qui l'Eternel n'impute pas d'iniquité, Et dans l'esprit duquel il n'y a point de fraude! " Psaume 32 :1-2
= …Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany, Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.