Ny tokantrano sy ny vady
(par Dr. Nivo)
<< pejy fandraisana
<< hevitra mahasoa hafa
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
hevitra mahasoa


Ny mpivady dia  olon-droa mifankatia, manana tanjona iraisana, nifanaraka fa hiara-dia amin'ny fiainana, nanao voady sy dina  hanorina tokantrano , hanorina fianakaviana , hiarak' ory sy hiara-paly  ka hiaraka hamakivaky ny fiainana. 

Ireo dingana lalovan'ny mpivady : fifamofoana, fanambadiana, fiterahana, na tsy fiterahana koa, fanabeazana ny zaza , fahaleovantenan'ireo ankizy , fisotroan-dronono, fahaterana ….

Mivoatra toy izany koa ny  fitiavana , ny fiaraha-monina ary ny toetra. 

Ireo olana mety mitranga: aretina , fahafatesana , fisarahan-toerana, tsy fahitana asa, tsy fahampiam-bola …
Ny ady sy ny fifandirana dia lalana lalovan'ny mpivady rehetra . Misy lafiny mahatsara azy  fa raha be loatra koa dia  mamizan-tsaina .
Toro-hevitra vitsivitsy mety hahasoa ny tokantrano, sy hampaharitra ny fitiavana : 
  1. Tratraro ny tanjona izay ilainao sy tadiavinao ary irinao, na dia tsy mifanaraka  foana  amin'ny izay ilain'ny vady azy izany.
  2. Miarŕha  mizara tetik'asa sy ny fialamboly  amin'ny vadinao.
  3. Manŕna tetik'asa anao samirery , fa aza miandry lava ny vadinao  vao manao zavatra.
  4. Mianŕra  mizaka-tena fa aza miakin-dava  amin'ny vady.

Hevitra momba ny  mpivady:
Ny tokatrano  mateza sy vady maharitra dia tsy midika hoe vady be fitiavana.
Ny manambady dia tsy midika hoe very fahaleovan-tena, 
Ilaina ny  fifampizarana hevitra fa   saingy  tsara koa ny mitazona izay tokony  ho an'ny tena  ary tsy voatery hilaza izay rehetra iainana raha mety hanimba ny tokantrano.
Hoy ny ohabolan-tsika hoe  "Natoky fitiavana loatra , ka nitanjaka imasom-bady !"

Toro-hevitra mety hahatsara ny fifandraisana sy ny  fiara-monina

Ny adin'ny mpivady
  1. Aza andosirana  ny ady sy ny fifandirana, fa ampiasao mba hivoarana  ao an-tokantrano.
  2. Ilaina ny fanakalozan-kevitra  sy ny fifampiresahana  ny zava-misy iainana  sy ny fihetseham-po, aza atao tompon-trano " mihono " ny vady.
  3. Aza vinavinaina na tsaraina ivelany ihany  izay mety ho hevitrin'ny vadinao.
  4. Aza manapa-kevitra an-katezerana , "ny fo rano mafana ka mandoro ny tompony ihany " ,  ka mahaiza mampitony ny fo
  5. Tsy resy akory ny olo-mangina raha misy ny ady ,  ary ny manambitamby  tsy olon-dresy
  6. Hajao ny hevitra tsy mitovy , aza maneso na manambany ny hevitrin'ny hafa.
Ny fampisehoana fitiavana
  1. Tsara koa ny manome fa tsy ny mandray fotsiny ihany.
  2. Ampisehoy (aminy teny , fihetsika , fomba ) fa misy vidiny aminao ilay olona.
  3. Aza atao mpameno ny banga ao  amin'ny fiainanao fotsiny  ilay vady  fa omeo toerana  ao am-po sy ao an-tsaina.
  4. Ny fifanajana, manaja vady , manaja tokatrano.
  5. Ataovy matotra sy lalina ny fifandraisana fa namana akaiky indrindra koa ny vady. 

Mba hisian'ny fivoarana ary dia  samia manontany tena momba ny vady :
  1. Sambatra  ve aho ato an-tokatranoko ?
  2. Inona no andrasako sy tadiaviko amin'ny vadiko ?
  3. Inona no antony hijanonako amin'ny vadiko : ny ankizy ve ?  ny tombotsoa ve ? tsy mana-tsafidy ve ? tsy fahaleovan-tena ve ? fahatahorana ny ho avy ve ? sa ny fitiavana sy ny voady izay natao ?
  4. Misy vidiny amin'ny vadiko ve aho , ary misy vidiny amiko ve izy ?
  5. Mbola misy ve ny fitiavana ?Azoko ho soloina olon-kafa ve izy , sa azony ho soloina olon-kafa ve izaho ?
  6. Inona no antony  maha te handao ny vadiko : sorisory lava ?,  fahanginana ? , tsy firesahana sy tsy fifanakalozan-kevitra ?, teny masiaka ?,  ady lava ?, tsy  fahafahampo ? fahasarotam-piaro ? sa tsy misy intsony ny fitiavana ?
  7. Inona no tiako hiova ato an-tokantranoko ?, ary inona no hataoko na hataonay  mety hampiova izany ?

Ny fampirafesana sy ny manitsakitsa-bady

Ny fampirafesana sy ny fanitsakitsaham-bady dia vokatrin’ny  olana  samy hafa ao an-tokatrano,  ny tsy fahafaham-po  ary ny tsy fahampiam-pitiavana  (une conséquence mais pas une cause)

Tsy mitovy ny antony  fampirafesana  fa amin’ny ankapobeny dia ny  « tsy fahafaham-po » no antony voalohany satria tsy ampy na tsy misy intsony ny :  firesahana , fifanakaloza-kevitra, firaisana ( vie sexuelle), fanehoam-pitiavana, fanajana, fankasitrahana ,  fialamboly )  . Mahatsiaro irery ao am-po ilay olona nefa  manambady, toa tsy misy vidiny intsony…

* Raha misy ny fampirafesana dia midika fa misy ny olana ao amin’ny mpivady. Samy manana andraikitra amin’izany  izy roa fa saingy ny lanjany no tsy mitovy.

Na misy aza ny olana dia tsy ny olona rehetra akory no afaka mampirafy, fa arakaraka ny toetran’ny olona tsirairay avy, ny fomba nitaizana azy, ny tantaram-piainany, ary ny fahazarany koa.
Misy koa olona izay  tsy matotra,  mitsingevan-kevitra, entim-po, mpamaly faty.

Ny fotoana sy ny toerana samy hafa dia  mety mampihaona ny olona ka miteraka fitsiriritana sy fankam-panahy, indrindra raha marefo ny tokatranony.

* Misy karazany  ny fampirafesana sy ny fanitsakitsaham-bady ( mandalo, vetivety  tsy misy tohiny ) ary misy ny maharitra izay  manambara fa  manakaiky ny  fisarahan’ny mpivady.

Matetika dia ny  fahafinaretan’ny  vatana sy saina no ambara fa tadiavina, satria lavitry ny olana  misy ao an-tokatrano mahazatra. Mahatsiaro ho «  tiana  sy misy vidiny indray » eo imason’ilay olona vaovao.

Ny vehivavy dia tsy manafina loatra izay ataony raha mampirafy izy, ary ny filazany sy ny firesahany  izany aman’olona dia fomba hanamaivanany ny  eritreriny .
Ny lehilahy kosa dia  tsy tia miresaka, na  tsy manana heri-tsaina hilaza ny marina, izay ilay hoe mamitaka.

Ho fehiny : misy lalŕna mifehy ny tokantrano, na eo amin’ny fiaraha-monina na  ao amin’ny maha Kristiana.
Misy ny ara-dalŕna misy ny tsy azo atao ary misy ny tsy tokony hatao.

Ny famakafakana izany no mifehy ny olona tsirairay avy ao an-tokatrano na misy aza ny zavatra  tsy zaka sy ny tsy fahafaham-po.

Hoy ny ohabolana :

“ Bolokilahy homamboan-tseva , ka mamy ny atsy , fy  ny aroa”
“Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano”
“Aza atao fitia paraky ka rehefa matsatsotsatso dia  ariana”
“Aza fatra-pitady ny manganana fandrao sendra ny mangidy tsy ho telina”
“Tano ny azo fa sarotra ny mila”.
“Ny tokantrano toy ny jiafotsy, ka  vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo.”




fanasina © - Tous droits reservés