Fandraisana Andraikitra
<< pejy fandraisana
<< hevitra mahasoa hafa
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
Fianarana Soratra Masina   -  18 janoary 2014 (Pasitera Brigitte Rabarijaona)

Manangana ny mandan'i Jerosalema ny Jiosy  ( Nehemia 3 : 1 - 32 )

- Misy foana ny  andraikitra azo raisina satria samy manana ny fanomezam-pahasoavany ny tsirairay.
- Mila mankasitraka ny ezaka vitan'ny tsirairay ihany koa  ( humilité ).
- Misy  ny manasokajy tena…tsy mitady ezaka atao intsony  -> Mametra ny fahasoavan'Andriamanitra izany .
- Hita fa misy fifampitohizana sy fifandraisana ny asa rehetra atao  ( se donner la main ou travailler à la chaîne est important ). Mitaky fifampitaizàna sy fifanentànana ary fifampaherezana izany !
Jereo ao amin'ny
- Kor. II - 8 : 12  " Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany. "
- Kor. II - 9 : 10 -11  " Ary izay manome voa hoan'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra. "

Famintinana
1/ Aza atao tsinontsinona ireny anaran'olona be dia be hita ao  amin'ny  texte biblique ireny (  ohatra : Nehemia 3 sy Matio1 ) ; tsy mazava amin'ny  voalohany, fa misy dikany ihany rehefa mamaky sy mandalina tsara ianao!
2/ Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra amin'ny asa rehetra atao ( fiainam-panahy, fianam-panompoana… )
3/ Mifamatotra sy mifampiankina izany andraikitra izany vao tanteraka ny asa soa ataon'ny olombelona.
Izay  no lesona omen'ny Tompo antsika tsirairay avy androany.

Misaotra antsika niara-nandalina izany.





fanasina © - Tous droits reservés