raki-tsary


Fanasina 18 novambra 2012- Fotoam-pivavahana fankalazana ny faha-10 taona ny sampana Fanasina.
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< raki-tsary
<< pejy fandraisana
Fanasina 18 novambra 2012 - Ecublens

Misaotra an'Andriamanitra tokoa isika fa tanteraka sady nahafinaritra ny fotoam-pivavahana nankalazantsika ny faha-10 taona  ny sampana Fanasina tao Ecublens. 
Mankasitraka sy mankatelina indrindra antsika rehetra izay tonga sy ireo nanana andraikitra dia :
- Ny mpitarika: Pasitera Brigitte Rabarijaona
- Ny  namaky teny: Lala Randriamiharisoa (Isaia 43 :9-13), Ralisiarisoa (2Kor 3 :1-3), Jemima Razanadahy(Matio 5 :13-16).
- Ny nitoriteny : Pasitera Brigitte Rabarijaona .
Ny vontoatin'ny toriteny dia ny teny faneva  "Ianareo no fanasin’ny tany… "  Matio 5 :13
- Ny nanao ranom-bavaka: Elisa Ramaniraka, Monique Razaname
- Nihira : Felana Rabemanantsoa
- Ny nitendry zava-maneno : Hasina Joyce, Liva Tehindrazanarivelo
- Nisy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo nataon'i Pasitera Arintsoa Zafindriaka.
Nisy koa ny filazana ny tantaran’ny Fanasina nataon’i Nivo Chochard ary ny namakian’i Hanitra Randrianarivony ny hafatra nalefan’i Colette Andriamasy izay filohan’ny Fanasina noho ny tsy naha teo an-toerana azy.
Ny filohan'ny FKMSM Hubert Rakoto nanome ny firarian-tsoa.
Nanao ny hira FF 48 "Andriamanitra Fitiavana" ny vehivavy Fanasina.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra

fanasina © - Tous droits reservés