raki-tsary


Fihaonana t@ 28 martsa 2017 - Fitsidihana ny Musée International de la Réforme (MIR) - Genève
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< raki-tsary
<< pejy fandraisana
Fihaonana t@ 28 martsa 2017 - Fitsidihana ny Musée International de la Réforme (MIR) - Genève

Misaotra an'Andriamanitra tokoa isika fa tanteraka sady nahafinaritra ny fotoana niarahantsika ny sabotsy 25 martsa 2017 tany Genève. 
Izay nitsidihana ny Musée International de la Réforme sy ny site archéologique (sous la cathédrale) ary ny tours de la cathédrale. Nahafinaritra fa visite guidée no natao.
Nampalahelo fa tsy azo nakana sary tao anatin'ny Musée fa ny nahafaly kosa anefa dia ny nahita fa anisan'ny santionan'ny baiboly tao ny baiboly malagasy (temitra teny amin'ny plafond) !!!.
Indrindra koa ka anisan'ny santionan'ny hira vitsy azo henoina tao ny hira "Sambasamba Zanahary", izay karazana fihirana mampiavaka ny malagasy amin'ny alalan'ny solfa ihany.
Izany fitsidihana izany moa tafiditra amin'ny maha - ny "500 ans de la Réforme" ity taona 2017 ity.
Mankasitraka sy mankatelina indrindra antsika rehetra izay tonga ary fisaorana feno ho an'ireo izay nikarakara.







fanasina © - Tous droits reservés