raki-tsary


Alahady Fanasina - 25 aprily 2010
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< raki-tsary
<< pejy fandraisana
Fanasina 25 aprily 2010- Fotoam-pivavahana tany Neuchâtel.

Tontosa soa aman-tsara ihany koa ny fotoam-pivavahana izay anjaran’ny vehivavyFanasina tany Neuchâtel ny alahady 25 Aprily. Isaorana manokana ny Môpera Patrick sy ny Pastora Justin Razanamahefa ary ny mpikarakara Vololona sy Abel.
- Ny mpitarika : Colette Andriamasy
- Ny namaky teny : Monique Razaname (Isaia 53:6-11), Holy andriamasy (Efes 2:8-10) , Tiana Belazaina (Matio 15:21-28).

Pastora Justin Razanamahefa no nitory ny tenin’Andriamanitra ka niompana indrindra momba ny vehivavy : “Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.” . Matio 15: 25.
Nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo nataon’i Môpera Patrick.
Nanao ny hira FF 48 “Andriamanitra Fitiavana” ny vehivavyFanasina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !


fanasina © - Tous droits reservés