raki-tsary


Fihaonana t@ 25 sep 2010 - Martigny
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< raki-tsary
<< pejy fandraisana
Fanasina 25 septambra 2010 - Tao amin'i Monique (Martigny).

Misaotra an'Andriamanitra tokoa isika fa tanteraka sady nahafinaritra ny fotoana niarahantsika ny Asabotsy 25 septembra 2010  tontolo andro tany Martigny.

Izay nandehanana teny amin’ny Col de la Forclaz sy nanaovana fandehanana an-tongotra (50mn-50mn) nijery ny Glacier du Trient ( Altitude 1800m). Na dia nanerika aza ny andro dia notanterahana ihany izany.
Voninkazo manokana ho an’i Nicole sy Océane (zanak’i Tiana & Carole) fa izy no anisany navitrika indrindra.

Teo koa ny fianarana momba ny fromage (Maître fromager Michel Genoud) sy ny fanandramana ireo karazany izay nentiny (fromage misy épice, chanvre,…).

Taorian’izay dia ny fanaovana bain thermal tany Lavey-les Bains ary dia nofaranana tamin’ny fihinanana raclette (Hanitra Genoud) ny fotoana.

Mankasitraka sy mankatelina indrindra antsika rehetra izay tonga sy ireo nanana andraikitra ary indrindra ny mpampiantrano Monique sy Alain Razaname ary koa ny fianakaviana (vady sy zanaka).

fanasina © - Tous droits reservés