Salamo 9

1....Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.

2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,

3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.

Fizarana mahasoa:

Inty misy zavatra nahasoa ahy nefa mino koa aho fa afaka ahasoa antsika mba hirosoantsika bebe kokoa amin'ny fanompoana sy fanatonana an'Andriamanitra indrindra ho antsika vehivavy. Traikefa nozarain'ny mpanompon'Andriamanitra iray izay tamiko telo taona lasa izay. Dia ny amin'ny fomba ahafahana mamaky ny tenin'Andriamanitra sy mihaona amin'Andriamanitra isan'andro. Ahafahana midera azy san'Andro sy ahafantarana bebe kokoa ny didiny sy ny ahafahana miaina amin'izany. Indro omeko anareo:

1 - Aza avela hieritreritra zavatra hafa na inona na inona amin'ny fiainanao akory ianao: ny asanao, fianaranao, ny fahasalamanao, ny zanakao, sns... aza maika ny handingana hivoaka ny tokonam-baravarana akory raha tsy efa avy nihaona tamin'Ilay Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra, ankino eo ampelatanany ny andronao rehetra ary manàna ny teniny dia ny teny ho entinao miatrika ny tontolo andronao, hiaro anao amin'ny ratsy rehetra.

2 - Ezahana aloha ny hanome fotoana 30mn isan'andro mba hifankahazarana amin'ny Tsitoha (vavaka sy famakiana ny tenin'Andriamanitra). Raha toa ka maraina no tianao hihaonana aminy dia mba mifoha 30mn mialoha amin'ny fifohazanao mahazatra anao, raha hariva no hitanao fa mety dia mba matory 30mn tara amin'ny fatorianao andavan'andro. Ho ahy aloha dia ny maraina no hitako fa metimety kokoa tamiko.

3 - Misy toko 31 ny ohabolana, boky fananarana, misy anatra mahasoa ary voateny ao avokoa ny zavatra rehetra tokony atao sy ny tsy tokony atao. ary 31 andro ny volana iray, raha ezahantsika vakiana isan'andro ny toko1, mifanaraka amin'ny calendriern-tsika, ho entitsika manitsy ny diantsika hifanaraka amin'izay voalazan'ny teny amin'iny andro iny dia azo antoka fa hiova sy hitombo isam-bolana ny

fanarahantsika sy ny fandrosoantsika amin'ny fahafantarana an'Andriamanitra satria ao anatin'ny iray volana dia fantatsika ny tokony ataontsika, ary 12 volana ny taona iray izany, dikany voavakintsika in 12 ny lalana rehetra isantaona, ataoko fa hahamora ny fanitsiantsika ny diantsika izany.

4 - Ny amin'ny fiderana, efa misy ny salamo fiderana nataon'ny Davida, misy toko 150. Azontsika atao koa ny midera an'Andriamanitra amin'ny salamo toko iray isan'andro nefa tsy voatery hoe izay fa azo zarazaraina koa. Ao anatin'ny 5 volana dia vitantsika ny famakiana ny salamo ary haintsika ny midera sy misaotra an'Andriamanitra amin'ny vanim-potoana rehetra lalovan'ny fiainantsika.

Tsy miteny aho tsy akory hoe voafetra amin'ireo ny famakiana ny teny, fa farafaharatsiny izay angaha no azoko ilazana azy, fa ankoatr'ireo dia azontsika atao ny mitady Azy sy mamaky ny tenin'Andriamanitra amin'ny fotoana mety amintsika ary na aiza na aiza misy antsika. Araka ny toritenin'i Ravaka ny amin'ny hoe miverena amin'Andriamanitra ary miambena fa tsy fantatsika izay andro na ny ora.

Izay ary aloha fa misaotra antsika mihaino hatramin'ny farany. Dia mahereza daholo.

Fizarana soa nomena androany faha 09.02.2006
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés