Satria moa andron’ny fitiavana androany koa dia faly miarahaba antsika vahivavy rehetra rehetra manam-pitiavana, indrindra moa fa ny manambady, dia Ilay Jeso fitiavana efa nanolotra antsika rehetra ny fitiavany anie no mbola hitana sy hihazona izany fitiavana izany ho antsika rehetra .
Hoy ny teny soratra masina:
I Korintiana 13:1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho:2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
Fantaro na mandeha tokoa amin’ny fitiavana isika na tsia fandrao efa lasa fahazarana foana ny fiainanatsika, fandrao ataontsika ho eo ambavantsika foana ny filazantsika azy, na ataontsika toy ny fitafy hiarovan-tena ny fitiavana fa hoy ny Tompo: Jaona 15:13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Raha tiantsika ny handinika kokoa ny amin’ny hoe moa mifanaraka amin’ilay tena fitiavana avy amin‘Andriamanitra tokoa ve ny fitiavako, itiavako ity vadiko ity , itiavako ireto zanako ireto, itiavako ny rahalahiko sy ny iray tampo amiko, ny ray amandreniko, ny sakaizako sy ny namako ary ity izao tontolo izao manodidina ahy ity?. Dia diniho ny teny soratra masina fa efa nomeny ao amin’ny Ikor13 ny famaritana sy ny toetry ny tena fitiavana marina: I kor 13: 4 -7 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Romana 12:9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
Tandremo mihevitra ny tena ho manampahalalana ka manao tsinotsinona ny fitiavan ’Andriamanitra ... dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso (I Kor 8:1) Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika ... (I Kor 13: 9).
Ny zavatra tokony ho ataontsika:
- .... aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra hianareo Deo 13: 4)
- Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo (Hosea 10:12)
- Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. (Romana 13:10)
- Fa raha mampalahelo no rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony hianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. (Rom 14:15)
- Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana (Gal 5:13).
Farany:
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. (IKor 16:14), ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra fanatitra alatsa-dra .... hamonjy antsika
(Efe 5:2), ary aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino hianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana (I Tim 4:12).
Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy (II Tesaloniana 3:5).
Misaotra antsika naharitra nihaino