Ny Vehivavy sy ny Finoana
<< pejy fandraisana
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
Famintinana, (Rasoloarisoa Nasy)
Inona no atao hoe Finoana?
Inona no Tanjona amin'ny Finoana?
1) Ny atao hoe Finoana:- dia fiankinana amin-javatra na olona, samy mino na ny Jentilisa na ny Kristiana fa ny Zavatra inoana no tsy mitovy, tsy hita maso ny Finoana, kanefa azo tsapain-tānana ahazoana famonjena,               
0h: Ny Batisa, ny Batisa dia Asan'ny Fanahy tsy hita maso kanefa inoana ary azo antoka fa idirana ho zanak'Andriamanitra  ary ahazoan'ny Kristiana famonjena, sy famelan-keloka.
Hoy ny Teny ao amin'ny Hebreo.11 and 1, "Ary ny Finoana no fahatokiana ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita",
Ho an'ny mbola mpanompo sampy dia mino fa mahavoavonjy ny hazo kely iambozonana, na karazan-javatra hafa tehirizina an-trano, sns...Tsy hita maso ny hery ao anatiny kanefa  inoan'ny olona manompo izany zavatra izany fa ahazoany famonjena,
Eto dia ho antsika efa Kristiana no iresahana ny Finoana. Tsy hita maso Andriamanitra kanefa inoantsika fa ahazoantsika Famonjena, ary azo antoka, araka ireo ohatra hita ao amin'ny andinin-tsoratra Masina nodinihintsika, Jereo koa ity Soratra Masina ity 2 Korint. 5 and 7 , "Fa Finoana no andehanantsika fa tsy fahitāna,"
Toy izany koa ny eo amin'ny Sakramentan'ny Fanasan'ny Tompo, tsy hita maso ny Finoana izay andraisantsika kanefa azo antoka fa mahavoavonjy araka ny Tenin'ny Tompo izay miombona ao amin'ny mofo sy ny divay, Jaona 6 and 54 "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rāko no manana fiainana mandrakizay…",
Ireo ohatra vitsy ireo dia efa mahalaza ny atao hoe Finoana,
2) Ny Tanjona amin'ny Finoana:  Dia ny mba ahazoana mandova ny fiainana mandrakizay, sy ny satro-boninahitra Fiainana.
Mampahery antsika fa tsy mora ny Finoana nefa io ihany no lalana ahazoana famonjena handovāna ny fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy irery ihany,
Hoy Paoly ao amin'ny Efes. 2 and 8, "Fa fahasoavana no amonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;"
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra,    Amen.

= = = = = = = = = = = = = = = = = = = =
Anio faha, 26 Oktobra 2013
" Vehivavy Fanasina "
Ny Vehivavy sy ny Finoana
Soratra Masina : Asan'ny Apostoly 9 : 36-43
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy, ary be ny  asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. 37 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty ; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. 38 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe : Aza misalasala hankaty aminay.
39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy ny lamba izay nozairin'i Dorkasy fahavelony. 40 Ary navoakan'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangāna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy dia niarina. 41 Ary Petera nanolo-tānana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. 42 Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo. 43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
Fanontaniana, Fandraisana anjara :
Iza no olona resahin'ny tantara, ary olona manao ahoana ?
-Tabita, Dorkasy, olona mpanao asa soa sy be fiantrana.
- Olona tsotra, mpanjaitra akanjo sy lamba.
- Petera,  nahazo fahefana avy amin'i Jesosy.
- Mpianatra na disciples, mpanara-dia an'i Kristy toa ny Dorkasy.
Ahoana no nanehoan'ireo mpianatra ny finoany an'Andriamanitra ? Inona no nataony ary inona no vokany ?
Mino ireo mpianatra fa manana " don " avy amin'Andriamanitra i Petera, izany no niantson'izy ireo azy.
Nandohalika sy nivavaka ary nitodika nanatrika ny faty Petera ; nanangana an'i Tabita tamin'ny maty izy sady nanolo-tānana azy.
Inona no toetran'Andriamanitra asehon'ity tantara ity ?
Mihaino vavaka Andriamanitra, manome fahavelomana hoan'ny mino  ary afaka manangana olona amin'ny maty Izy, izany hoe : manao fahagagāna .
Hoantsika vehivavy Fanasina, inona no toetra tsara halain-tahaka asehon'ny tantara ?
Fanaovana asa soa sy fiantrana amin'ny mpiara-belona amintsika.
Fiainam-bavaka sy fanamafisana ny  finoana amin'izay rehetra atao.

= = = = = = = = = = = = = = = = = = = =
Anio faha, 26 Oktobra 2013
" Vehivavy Fanasina "
Ny Vehivavy sy ny Finoana
Soratra Masina, Matio 9 : 20-22
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin' ny folo taona, nankeo ivohon'i Jesosy ka nanendry ny somotraviavin-dambany. 21 Fa hoy izy anakampony : Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho. 22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe : Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.
Dinika fandraisana anjara
Iza no olona resahina eto amin'ny tantara, ary olona manao ahoana ?
Ilay vehivavy efa narary nandritra ny 12 taona.
Manao ahoana ny fisehon'ny finoan'ilay vehivavy ? ary manao ahoana no isehoan'ny fahatahorany an'Andriamanitra ?
Finoana feno fahatokisana an'Andriamanitra ary narahana hetsika izany…  na dia " ny somotraviavin-dambany "  aza dia ninoany.
Finoana feno fanetren-tena "  nankeo ivohonY " izy fa tsy nanoloana Azy…na nibeda Azy akory.
Inona no toetran'Andriamanitra asehon'ity tantara ity ?
Mahafantatra sahady ny ao am-po tsy miloaka ny olombelona Andriamanitra.
Be fitiavana sy fangorahana, mamindra- fo sy tsy mizaha tavan'olona ary  manasitrana  marary Andriamanitra ( mila fanatonana izany.)
Ho antsika vehivavy Fanasina, ahoana no anehoantsika fahatahorantsika an' Andriamanitra amin'ny fiainantsika andavan'andro, eo amin'ny tokan-trano misy antsika, fiaraha-monina, fiangonana ?
Amin'ny fiainam-bavaka sy ny fitandremana ary ny fanajana ny didin'Andriamanitra.
Amin'ny fanaovana ny Asany  sy ny fanehoana fitiavana ny manodidina.
Amin'ny Finoana Azy tanteraka.









<< teny soa hafa
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés