Vatsim-panahy 1 - Pasaka 2009

Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika

Ny sampana fifohazana FKMSM dia manolotra vatsim-panahy ho antsika rehetra amin'ity herinandro masina ity .
Izany no atao, dia mba ahafahan-tsika manomana ny fo amam-panahin-tsika hiatrika ny Pasaka 2009 ity.

Vao tsy ela akory izay no nankalaza ny fetin'ny Noely na Krismasy isika, fetim-piangonana lehibe tokoa ny Krismasy, eny na dia izao tontolo izao tsy mino aza dia manao fety ihany koa mba ahatanteraka ny Tenin'ny Anjely t@ mpiandry ondry hoe : Fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra fa mpamonjy no teraka ho anareo anio??? Izany hoe ny Krismasy dia milaza ny Fahatongavan'ny Mpamonjy, hamonjy ny olona

Araka ny hevitro dia tsy latsa-danja @ fetin'ny Krismasy koa ny andro Paska , satria ny andro Paska no fahatanterahan'ny asam-pamonjena nataon'ny Jesosy kristy teto an-tany, satria hoy Izy : VITA NY FAMONJENA. Izany hoe : fahatanterahan'ny Teny Fikasana.

Ka mandritra ity herinandro masina ity ary isika dia haka Lesona amin'ireo TENY FITO nataon'ny Jesosy teo @ hazo fijaliana ka ho arahantsika mandritra ny herinandro izany.

NY TENY VOALOHANY :

Lioka 23 :34. Ary hoy Jesosy , " Raiko o ! mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony "
Ry havana, ity tenin'i Jesosy ity dia azo ampitahaina koa @ ny tenin'i Jesosy @ ny Matio 5 : 39, " Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Aza manohitra izay manisy ratsy anao, fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray ".

Hevitra vaovao tokoa ity tenin'ny Jesosy ity, tsy mbola niseho tamin'izao tontolo izao.

Ny fomba mahazatra antsika manko dia ny mamaly izay manisy ratsy na manenjika antsika. " Maso solon'ny maso, nify solon'ny nify ". Tsy mba izany kosa anefa no nataon'ny Jesosy, fa ny mifanohitra @ izany, araka ny voalaza ery ambony . Koa aoka isika ry havana handray izany hevitra vaovao nampianarin'i Jesosy antsika izany, satria isan'ny toetra maha-kristiana antsika mpanaraka an'i Kristy ny mandefitra sy mamela heloka tahaka izao nataon'ny Jesosy izao.

Manasa anao mba hihira mangina ny hira 532 ffpm anio, raha vita ny famakiana ny vatsim-panahy, dia farano @ vavaka fanavaozana ny fanoloran-tena izany.

" Satria sambatra ny madio am-po fa Izy no ahita an'Andriamanitra. ".Matio 5 :8

Vololona (mpiandry fkmsm)

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés