Vatsim-panahy 2 - Pasaka 2009
TENY FAHAROA :
Dia hoy Jesosy taminy : " lazaiko aminao marina tokoa, Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ".Lioka 23 :43
Ny fianarana horaisintsika indray amin'ity teny faharoa ity ry havana dia vao mainka miha-lalina. Satria nahoana ?
Toy ny milaza Jesosy eto hoe : Aza mangataka andro. Raha ohatra manko ka nangataka andro ilay Jiolahy voalaza eto ity, dia ho very tokoa izy. Mampahatsiaro antsika ny epistily ao @ Hebreo3 :7 manao hoe : "Anio raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo". Ary koa ny Epistily ho an'ny II Kor 6 :2 manao hoe : "Indro ankehitriny ny andro fankasitrahana, indro ankehitriny ny andro famonjena".
Nipitrapitra nampalahelo ity Jiolahy teo ankavanan'i Jesosy ity, nahatsiaro fanenenana mafy izy, noho ny heloka vitany. Izany no nahazahoany fankasitrahana tamin'ny Jesosy, ka nitenenan'i Jesosy hoe : Anio no hihaonanao amiko any am-paradisa.
Akaikin'izay manana fo torotoro sy mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy ireo torotoro fanahy'. Salamo34 :18, Izany hoe : Ny fibebahana marina tsy mba ataon'Andriamanitra tsinontsinona.(Ampitahao @ ny I jaona1 :9).
Farany, ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia azo ampitahaina amin'ireto Jiolahy roa ireto : Ny ilany dia maneso sy mandŕ an'i Jesosy noho ny fankamamiana izao fiainana izao sy ny nofo.
Ny sasany kosa dia mifona,sy mibebaka ary mandray sy manaiky an'i Jesosy sy ny Filazantsara amin'ny finoana. Aiza ary no misy anao ry havana malala ? Amen !
Hirain-tsika rehefa nandray izao vatsim-panahy izao ny hira laharana 396 ffpm.
Manainga antsika hatrany hanavao ny fanoloran-tenantsika eo @'i Jeso
Vololona(mpiandry fkmsm)
sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
fanasina © - Tous droits reservés