Vatsim-panahy 3 - Pasaka 2009

TENY FAHATELO

Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo dia hoy Izy t@ reniny :"ravehivavy , indro ny zanakao, ary hoy koa Izy t@ ilay mpianatra : indro ny reninao".

Mampahonena ny zava-niseho teto, Mitomany i Maria mahita ity zanany hovonoina, tsy nanankeloka akory, moa nisy fahoriana tahaka izany va ? Zanany vao tanora erotrerony 33 taona, no handao azy sahady, tsarovy fa tany aloha tany ry havana tsy mbola nisy ny pension (retraite), ka tena folaka andry niankinana tokoa i Maria, nilaozan'ny sombin'ny ainy.

Hitan'i Jesosy izany fahorian'ny reniny izany ka onena azy Izy, ka nanolotra  an'i Jaona ho zanany ho fampiononana azy, ary i Maria ho renin'i Jaona. Mampianatra antsika koa izany, ny mba handraisantsika andraikitra sy adidy, @ fanasoavana ny olona rehetra.

Mampatsiahy antsika aho ry havana ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy. Izay nandray andraikitra tokoa t@ fikarakarana ilay olona noratrain'ny jiolahy teo an-dalan'ny Jeriko.

Tsy nataony sakana ho azy ny firazanany, ny saranga misy azy, fa ny zava-dehibe taminy dia ny ahazahoan'ilay voaratra mafy fitsaboana, ka hahasitrana ny feriny.

Maro koa ny olona any ho any voafitak'i satana, sy izao fiainana izao, ka feno ratram-po sy fahoriana be tokoa, tebitebin-tsaina tsy hita ho lazaina intsony, ozohin-doza-be (hira 110 :and2).
Mandehana , ka manaova koa toy Ilay Samaritana tsara fanahy, fa hoy izy : Tsaboy izy fa na ohatrinona na ohatrinona no laninao dia honerako rehefa miverina aho.

Eto ampamaranana dia manasa anao indray hihira ny fihirana laharana 310 ffpm, Ary aoka hibebaka ry havana @ tsy fahatanterahana ny @ izany. Amen


sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés