Vatsim-panahy 4 - Pasaka 2009

TENY FAHEFATRA

Matio 27:46, Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso t@ feo mahery Jesosy ka nanao hoe : " Ely, Ely lama sabaktany, izany hoe : Andriamanitra o ! Andriamanitra o ! nahoana no dia mahafoy Ahy hianao ? "

Rehefa nahavita ny teny telo izay voalaza tary aloha Jesosy dia , nangina tsy niteny intsony izy nandritra ny ora vitsivitsy, ary maizina ny tany aman-danitra nandritra io ora vitsy io.
Eto no ahitan-tsika ny halalin'ny fijalian'ny Jesosy  antsika, Nitondra ny aretin-tsika Izy, Sady nivesatra ny fahorian-tsika, ?..Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoan-tsika, Sy notorotoronina noho ny helontsika. Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika?? Eny Izy no nitondra ny fahotan'ny maro, sady manao fifonana ho antsika  mpanota. Isaia 53 : 4-12

Ry havana, misarika ny fo aman-tsaintsika izany , hiverina hahatsiaro ny hazofijaliana namantsiana ny Tompontsika tao Gologota. Voantsindrona lefona ny tongotra aman-tanany, niaritra izany Jesosy, noho ny Fitiavany antsika.

Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga Fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika ..II Kor 5 :21
Izany no vidin'ny famonjena Ahy sy hianao ry havana,

Raha efa avy namaky ny vatsim-panahy isika dia hihira ny hira laharana 106 ffpm,
Ary hivavaka mangina hoe : Indro Tompo fa omeko anao ny tenako  Ka tsy misy tsy foiko zay rehetra tianao. Eso latsa tsy ahoako, fa ny ho mpanomponao, no ho zavatra kendreko, raiso re ny zanakao. Amen

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés