Vatsim-panahy 5 - Pasaka 2009

NY TENY FAHADIMY

Jaona 19 :28 'Mangetaheta Aho'

Ny fampianaram-pinoana Kristiana dia miara-manaiky fa Jesosy Kristy dia sady Andriamanitra tokoa no olona tokoa.

Ka asehon'izao teniny izao ny maha-olona Azy eto, hoe : "Mangetaheta Aho", atao hoe 'olona' izy satria lazain'ny filazantsaran'ny Jaona ny fananany vata-tena Jao 2 :21. " Fa ny tenany no tempoly nolazainy " ary koa ny Matio 26 :38 hoe : dia hoy Izy taminy : " Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty ".

Porofoin'ny Filazantsara amintsika fa olona tokoa izy ary nanana tena sy fanahy, ary raha hotsongain-tsika kely ny volazan'ny filazantsaran'ny Marka sy Matio dia hita ao avokoa fa : Nihinana Izy, natory Izy, tonga sasatra Izy, noana Izy, nifaly Izy, maty Izy (mat 4 :2 - mat 9 :10-11 - mar 4 :38 - mat 16 :21)

Fa ny zavatra iray, tsy nitoviany tamintsika dia izao : tsy nanana ota Izy ; I pet 2 :22 " Izay tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo ambavany " ; sy ny Hebreo 4 :15b "fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.

Izany hoe sady Andriamanitra marina Izy no sady olona marina.

Ny hoe : " mangetaheta Aho" dia nihevitra ny fijaliany ara-nofo Izy eto. Nefa koa azo lazaina hoe : "Mangetaheta ny fanahin'ny olona rehetra Izy", eny na dia ireo nandefona Azy aza.
Satria Andriamamanitra Fitiavana Izy , ka tsy misy sitrany ho very ny fanahin'ny olona na dia iray aza.

Izany no nanekeny ho faty teo ambony hazo fijaliana, mba hanavotany antsika".Satria samy efa nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra, tsy misy manao ny tsara na dia iray aza". Romana3 :12

Farany, Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoin-tsika hoe : Ray ; dia mitondrà tena @ fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahiniantsika ety'..fa fantatsika fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana antsika fa ny ra soan'i Kristy toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, mba hiorenan'ny finoantsika sy ny fanantenantsika amin'Andriamanitra (I Petera 1 :17)

Ataon-tsika ry havana ny hira 115 ao@ ffpm, ho famaranana. Aoka hivavaka ka  hanavao ny fanoloran-tena noho izany avotra vitan'i Jesosy ho antsika izany. Amen

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés