Vatsim-panahy 6 - Pasaka 2009

TENY FAHENINA

Jaona19 :30 "VITA"

Ry havana, vita ny asam-pamonjena nataon'i Jesosy tety, vita ny asam-panavotana nanafahana antsika t@ ny ota mahavery,
Izany hoe vita ny vidin'ny fahotako sy ny fahotanao ; ny tenany sy ny rany no nividianany azy.
VITA tanteraka ny famonjena, Ny teny hoe VITA eto, dia teny milaza fandresena ; resy ny devoly, resy ny fahafatesana, resy ny ota ; ka izay  mino an'i Jesosy sy matoky Azy dia handresy koa.

Maro no mihevitra fa ny FAMONJENA VITAn'i jesosy , dia tsy maintsy ampiana fihezahana kely aloha vao tena mahavonjy, tahaka ny hoe : tsy maintsy mifady hanina (tsy mihinana sakafo), tsy maintsy manao asa soa, tsy maintsy miantra ny ory sns…

Tsia tompoko, ny mifanohitra no izy, manao asa soa ny olona , miantra ny ory izy, satria nahatsiaro fa nanafaka azy Jesosy, novonjen'I Jesosy t@ fanagejana rehetra nataon'ny fahavalo dia : ny devoly, ny nofo, ary izao tontolo izao'ka izay no niteraka ny fanaovan-tsoa tao anatiny.

Tsy ilaina ary ny fanampinampin-javatra hanerenao ny tenanao sy ny sainao, ho atao vao  voavonjy'.
Lazao @ olona rehetra ary fa tonga tety an-tany ny Mpamonjy (KRISMASY), lazao @ olona rehetra fa VITA tanteraka ny famonjena (PASKA)

Ho famaranana dia ataon-tsika ny hira : 537 ffpm, ary aoka ho feno fiderana sy fankalazana an'Andriamanitsika ny vavaka asandratrantsika. Amen !

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés