Vatsim-panahy 7 - Pasaka 2009

Miarahaba anareo , tratry ny paska , eny velona jesosy!

TENY FAHAFITO

Lioka 23 : 46 "Raiko o, eo antananao no atolotro ny fanahiko !"
Ny rainy no nandefa Azy,
Ny Rainy no nanolotra Azy ho fanatitra,
Ny Rainy no namela Azy hijaly sy ho faty.

Ny Rainy koa no mandray Azy amin'izao
Niakatra ho any an-danitra ankavanan'Andriamanitra Izy.

Fa Izy no fihavanantsika, Izay naha- iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana.
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany sy mpiray lova @ i Kristy sady ankohonanan'Andriamanitra... ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra... Efesianina2:19-22

Famaranana dia miarahaba anareo rehetra mpiara-mivavaka fkmsm, nahatratra soa ny paska,

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany!

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés