« Fa ny vady hendry kosa dia  avy amin’i Jehovah ». Ohab.19 : 14b
«  Mais une femme qui a du discernement est un don de l’Eternel ». Prov.19 : 14b
« Mais c’est Dieu qui donne une femme de sens ». Prov.19 : 14b

Betsaka ny fomba mety handikana  ny teny  hoe « hendry » : Toetra izay heverin’ny olona fa mendrika  sy tsara .
Arakaraka ny sokajin’olona, ny toerana misy azy ,ny nanabeazana azy ary  ny finoana iainany koa  no azo hamahana io teny io.
Azo adika hoe : Ny fahaizana  mamakafaka sy mandinika  ,mahay mitsara sy mijery izay tokony ambara  sy   atao amin’ny fitondran-tena  eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tokan-trano.

Ho fehiny izay voalaza dia ireto ary misy toko sy andininy  tsara ho tadidiana :

-1) « Ny fahatahorana an’i Jehovah  no fiandoham-pahendrena ». Ohab.9 : 10
« Le début de la sagesse  c’est la crainte de l’Eternel ». Prov 9 : 10

-2) « Ny fankahalana ny ratsy  no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy , ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa » Ohab. 8 : 13
« La crainte de l’Eternel , c’est la haine du mal ; l’arrogance,  l’orgueil, la voie du mal et la bouche perverse, voilà ce que je hais » Prov.8 : 13

Manasa antsika rehetra mba hanohy ny adihevitra momba ny «  vady hendry »  miaraka amin’ireo olona manodidina antsika .
Mbola hitohy ny  adihevitra sy ny fianarana ny Soratra Masina ataontsika vehivavyFanasina.

sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa



fanasina © - Tous droits reservés
Fianarana Soratra Masina , Asabotsy 24 avrily 2010-Genève.
Mpitarika Pasteur Ntsoa