Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.
Ohabolana 31, 10

Ho an'ny vehivavy fanasina dia teny fahitantsika matetika ity an-dalan-tsoratra masina ity, tsy vaovao amintsika satria misoratra foana eny ambanin'ny mail alefan'ny komitin'ny Fanasina na koa ao amin'ny site, asa raha mba efa noeritreretintsika ny tiany holazaina satria anisan'izany daholo isika  vehivavy vory eto izao.

Tsy tongatonga ho azy io teny nofidin'ny komity io fa manandrify antsika vehivavy tsara.
Ao amin'ny ohabolana toko 31, and 10 izay novakiana teo dia voalaza fa ny vehivavy tsara dia manao ny asa amin'ny maha vehivavy azy, amin'ny maha vady azy dia manao soa ho an'ny lahy  mandrakariva izy fa tsy mba manao ratsy azy,  amin'ny maha mpitandrina tokantrano azy dia mifoha mbola maraina izy manome hanina ny ankohonany ary mampitafy volon'ondry mena azy ireo raha avy ny oram-panala.

Izany hoe izy no tompon'andraikitra voalohany ary tsy voafetra ao an-tokantrano ihany  ny asany fa mitatra any ivelany koa. Mividy tany izy, ary manao tanim-boaloboka, miantra ny malahelo izy ary manatsotra ny tanany amin'ny ory.

Azo lazaina ho misahana andraikitra na lehiben'orinasa mihitsy izy amin'izany.

Na dia eo aza izany  fanandratana ny vehivavy tsara izany nohon' ny adidy rehetra sahaniny dia voalaza   "Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina". Manao ahoana moa izany hoe  "vehivavy matahotra an' i Jehovah"?

Izay vehivavy manaja ny lalàn'i Jehovah sy manao ny sitrapony izany hoe manao ny tsara eo imasony.

Raha izay no voalaza hiderana ny vehivavy tsara ao  amin'ny bokin'ny ohabolana dia tsy latsa-danja amin'izany koa isika vehivavy Fanasina.

Ankoatrin'ny ny fahazotoam-pontsika amin'ny fanaovana nyandraikitra rehetra eo amin'ny tokantrano : fikarakarana ny vady aman-janaka,  ny fanaovana ny asa fivelomana, na ny fianarana mba hikarakarana ny ho avy, ny adidy  amin'ny Fiaraha-monina sy ny Firenena.
Dia te hidera antsika vehivavy Fanasina  aho satria manampy izany rehetra izany  dia tsy ataontsika ambanin- javatra  ny fanaovantsika ny asan'i Tompo ato amin'ny Fiangonana.
Mankalaza ny faha-25 taona ny Fkmsm amin'ity taona ity raha tamin'ny nanombohan'ny niorenan'ny Fiangonana ny isan'ny komity dia teo ho eo amin'ny 70 eo, dia ny  antsasany tamin'ireny vehivavy, raha misy ny zavatra karakarain'ny Fiangonana dia mandray anjara mavitrika amin'izany ny vehivavy.

Tsy hoe akory midera  vehivavy mahay mandihy aho fa manana anjara toerana amin'ny fampandrosoana ny asan'Andriamanitra koa ny vehivavy.

Amin'izao vanin'andro iainantsika izao anefa, indrindra amin'ny tany mandroso toy ny misy antsika ity dia anisan'ny miaina ao anatin'ny hazakazaka sy ny rotoroto koa ny vehivavy. Hany ka na ilay adidy tsara niderana azy dia lasa zioga manavesatra azy indray.

Izany dia mampita antsika amin'ilay vakiteny tao amin'ny Lioka  13,10 teo momba ilay vehivavy  manjoko, na amin'ny teny frantsay  hoe "la femme courbée".

Amin'ny teny  malagasy ny manjoko dia matetika ilazana  ny olona efa antitra efa lazon'ny taona sy ny aretina . Ka mivokona ny lamosiny.

Fa ity vehivavy voalaza ity dia voafatotrin'ny satana ny lamosiny ka nanjoko , tsy fantatra ny taony fa voalaza  hoe efa 18 taona izy no azon' izao aretina izao izay  tsy nahitana fahasitranana mihitsy. 18 taona nijery ny tany, niondrika ambany fa tsy afaka nitraka mihitsy, tsy mba afaka nijery mason'olona akory.

Tonga tao amin'ny synagoga izy nihaino ny fampianaran'i Jesosy, tsy tonga teo ho azy ity vehivavy ity fa izay no fotoana efa nalamin'i Jesosy ary tamin'izay no nanasitranany azy.
Mety manontany tena isika ny antony iresahana vehivavy manjoko nefa isika toa mbola mijoro tsara daholo?

Mety misy zavatra ao anatintsika ao mahatonga antsika hanjoko, izany hoe mety tsy ara batana ny antsika fa mety  ara tsaina na ara- panahy.

Mahatonga antsika hiondrika tsy afaka hitraka, mety misy aretina, mety faniriana tsy tanteraka, alahelo, fahadisoam-panantenana, adidy mavesatra amin'ny tokantrano , ny fianakaviana, olana amin'ny vady, zanaka, ny fitadiavana ny asa fivelomana ho an'ny ankohonana, ny fieritreretana ny ho avintsika, na ny hoavin' ny zanantsika. Mibaby ny vesatrin'ny olana misy amin'izao fiainana izao isika vehivavy.

Jesosy no mahalala ny ao anatintsika  tsirairay avy, toy ny fahalalany an'ity vehivavy ity izay tsy nangataka taminy akory ny hanasitranana azy satria na ny tarehin'i Jesosy aza tsy hitany ary tsy nifanojo akory ny mason'izy ireo.

Dia Androany koa jesosy  mahita anao sy izay zavatra mampiondrika anao na tsy mangataka Aminy ianao dia efa mandray an-tanàna ny fiainanao izy raha manaiky ianao sady mino ny heriny.

Tsy ho an'ny vehivavy ihany fa ho antsika rehetra eto, misy zavatra mahatonga anao manjoko ve, raha miondrika tsy mahatraka intsony ianao dia aza misalasala manantona an'i jesosy  toy ny efa nataon'ity vehivavy ity fa te hikasika anao koa izy  amin'ny toerana maharary anao, te handray ny zioga  mavesatra babenao izy , koa apetraho eo am- pototry ny hazo fijaliany izany fa efa nekeny ny hitondra izany ho anao.

Ilay teny  nolazain'i Jesosy tamin'ity vehivavy ity koa nolazainy aminao androany:" Afaka amin'ny rofinao ianao".

Mitsangana , ataovy andry iankinanao Jesosy,  tsy hamela anao amin'izao toerana misy anao izao izy fa hamaha ny olanao sy hanasitrana anao. Ka hankalaza azy ianao sy hanome voninahitra ny anarany, ka mba ho lehilahy sy ho vehivavy  hijoro anie isika tsirairay avy ho andrin'ity Fiangonana Fkmsm ity  amin'ny 5 taona sy 10 taona ho avy indray.
Koa raha ho tonga i Jesosy dia ho anisan'ireo hitsena azy ianao  hilazany hoe: "ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny Tomponao" Matio 25:23.

Amen


sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
<< teny soa hafa
<< pejy fandraisana
teny soa


TENY SOA - Alahadin'ny Fanasina - 07 nov 2010

fanasina © - Tous droits reservés