sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
03 Febroary 2013 - Servette
20 Aprilyl 2013 -Lausanne (Odile)
01 Jona 2013 - Salève (Honitra)
01 Aogositra 2013 - Yverdon (Nivo)
26 Oktobra 2013 - Lugano
03 Novambra 2013 - Servette
Desambra 2013 - Marché de Noël (Montreux)
Faly miarahaba anao ny fikambanam-behivavy ato amin'ny FKMSM.
Mirary soa sy fahasalamana ary fanambinana ho antsika Vehivavy Fanasina rehetra eo ambany fahasoavan' Andriamanitra.
Ny tanjon’ny Vehivavy-Fanasina dia : fiarahana mahafinaritra sy fifankahalalana ary indrindra mba hisian'ny fifandraisana sy firaisankina ato anatin’ny Fiangonana FKMSM eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Natao ity tranokala ity izany mba hifandraisana sy hifampitana vaovao na ho antsika eto an-toerana na ireo namantsika any lavitra.
Izay manana hevitra mbola hanatsarana sy hampandrosoana ny fikambanantsika ary ny tranokala dia raisina an-tanan-droa.
Raha mbola misy adresse mail fantantsika ka tsy ato anatin'ny lisitra-fikambanana dia miangavy mba handefa izany @ komityfanasina@yahoo.fr
Dia mirary soa ho antsika vehivavy rehetra.
"Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina" Oha 31-30.
Komity fanasina
komityfanasina@yahoo.fr
Feno 10 taona ny sampana Fanasina ka manasa antsika hiaraka hidera sy hankalaza an'Andriamanitra ny Alahady 18 novambra 2012 - 3 ora haviva ao Eglise d’Ecublens, Place du Motty 1, 1024 Ecublens.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
FANASINA
Novambra 2002 - Novambra 2012
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)
fanasina © - Tous droits reservés